- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversMétamphétamine : Nizeriana roa nosamborina

Métamphétamine : Nizeriana roa nosamborina

Fivarotana ity karazan-java-mahadomelina ity ny heloka nisamborana azy ireo. Teratany nizeriana roa sy vehivavy malagasy iray no indray nosamborin’ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, izay manana ny biraony etsy Anosy. Teny Mandriambero izy ireo no voasambotra ary mbola nahitana méthamphétamine telo girama tao an-tranony. « Angom-baovao no nahafantaran’ireo polisy miasa ao amin‘ny STUP Anosy fa misy teratany vahiny mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eny amin‘iny faritra iny. Nosavaina ny trano ary hita tao tokoa ny zava-mahadomelina. Sakaizan’ny iray amin’izy roa lahy ilay vehivavy izay nosamborina ary noraisina ho mpiray tsikombakomba » , raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny raharaha. Isan’ny drogue lafo vidy ny métamphétamine ary manodidina ny 300.000 ariary ny iray girama amin’izany. Izay hoe olona manan-katao ihany izany no mety ho afaka midoroka izany. Mahagaga anefa ankehitriny fa miparitaka etsy sy eroa izany, irony antsoina hoe « rôrô » irony ary dia 5.000 ariary aza dia efa mahazo. Izany hoe lasa afangaro zavatra maro izany ny métamphétamine vao mety ho tonga amin’izay vidiny izay. Iza no mpanao izany ary aiza ny toerana fanaovana izany? Vao mainka mantsy miha-mahery ny poizina noho ny fangaro izay tsy fantatra ary io mitondra loza ho an’ny fiaraha-monina io, indrindra ny tanora.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici