Toeram-pivarotana kojakoja fanaovan-trano, tsy lavitra ny toeram-pisakafoanana malaza eo Antanimena ambany, indray no lasibatry ny jiolahy omaly. Vola mitentina 2 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana tamin’izany araka ny vaovao voaray. Raha ny fantatra hatrany dia tany ho an’ny 4 ora hariva tany ho any no nisehoan’ity fanafihana ity ary mbola nivoha soa aman-tsara ity fivarotana karàna ity no nidiran’ireo jiolahy efa-dahy tsy nisaron-tava amboletra. Avy hatrany dia nanatona ny “caisse” izy ireo ary nanambana basy. Raiki-tahotra tamin’izany ny tompon-trano ka nanome ireo vola rehetra maty nandritra ny andro. Nahatratra teo amin’ny 2 tapitrisa ariary mahery teo izany raha ny vaovao voaray hatrany. Fotoana vitsy monja no nanantanterahan’ireo jiolahy ny asa ratsiny ka raha vao azony izay nilainy dia nirifitra nitsoaka nandositra nihazo elakelan-trano ry zalahy. Tao anatin’izany fotoana izany no nampandrenesana haingana ny mpitandro filaminana, izay nigadona teny an-toerana fotoana fohy monja. Indrisy anefa fa efa nadio ny rano nitan’ireto olon-dratsy ireto. Fantatra kosa ny lalana nalehany ka velona ny fifanenjehana. Araka ny voalaza hatrany dia tsy sahy nanapoaka basy ireo mpitandro filaminana noho ny haterin’ny lalana sy ny habetsaky ny olona nitangorona, nizaha ny zava-misy. Fantatra kosa fa narian’ireo jiolahy tamina lakan-drano iray teny an-toerana ny sakaosy iray, nahitana basy “calibre 12”, izay efa notsofaina ny lohany sy ny vodiny. Voalazan’ireo mpitandro filaminana hatrany fa tokony ho tratra mihitsy ireo jiolahy saingy noho ny hamaroan’ny olona dia somary voasembatsembana izy ireo.
m.L