- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanalam-baràka ny SEG : « Compte fake » avy ao Antanimora indray

Fanalam-baràka ny SEG : « Compte fake » avy ao Antanimora indray

Gadra mampisa finday, endriky ny kolikoly anaty fonja.

Tsy namelan’ireo olona voatonona raha tsy hita ny niavian’ireo kaonty facebook nanala-baraka azy ireo. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava (BC) no voakasik’izany rehefa niparitaka avy amin’ny kaonty tsy fantatra fa navotsotra ilay mpangalatra fiara marika Crafter, satria havan’ny SEG, ary koa mahafantatra ny lehiben’ny BC. Nanda izany ny laharana voalohan’ny zandary ary nilaza fa tsy mahafantatra io olona nangalatra fiara io akory. Ny teo anivon’ny BC indray dia avy hatrany dia nanao fanadihadiana mangingina ary nanao savahao ny niavian’ny kaonty. Niainga tamin’ny fikarohana olona navotsotra aloha izany. Tonga hatrany Anjozorobe ny BC ary rehefa notohizana ihany ny làlana nizoran’ilay olona dia tany Ambatondrazaka no voasambotra. Rehefa nohenoina indray izy tamin’ny fakana am-bavany dia nilaza olona roa izay mpifanerasera aminy sy fantany. Ireo gadra roa tao Antanimora no noahiany. Natao tokoa ny fanamarinana rehetra ary nivoaka tao anatin’izany fa avy ao Antanimora ireo kaonty facebook. Gadra miisa roa no mpikirakira izany. Mouktafi Jallal, Good Hita, Kala Fanja sy Tahiry Kkanto : ireo ny anarana entin’ireo nanala-baraka amin’ny tambajotra sosialy voalaza. Nalaina tao Antanimora ireo voakasika ary nanokafana fanadiahiana hafa indray izany noho io vesatra vaovao io. Voasambotra ireo olona fa na izany aza anefa dia nisy marina ihany ilay fanehoan-kevitra tamin’ny facebook nataon’ireo, dia ny filazana izany fa olona mbola tokony hamita sazy folo taona an-tranomaizina ilay nangalatra fiara. Mahakasika ny famotsorana azy indray dia voalaza fa nisintona ny fitoriana ny tompon’ny fiara rehefa voaverina taminy ny fananany. Marobe ny andehanan’ny saina mahakasika ity raharaha ity. Voalohany dia olona mbola tokony higadra nefa miriaria ary mbola miverina mangalatra. Faharoa manaraka izany dia ity resaka nisintona fitoriana ity dia votsotra. Fa angaha izany mahasakana ny fampiharana ny lalàna velona ara-pitsaràna (action publique)? Fahatelo manaraka izany ary mivandravandra be dia ny fisian’ny gadra miaina toy ny ety ivelan’ny fonja ihany ary afaka mampiasa finday mifanerasera amin’olona ary manao facebook. Fahefatra farany, rehefa ny olomanan-kaja, be loatra ny zavatra mivaona amin’ny tokony hoy izy ao anatin’ity raharaha ity. Tsy mahagaga raha misy olona tsy matahotra ny higadra sy hanao ratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Iza ilay niteny fa navototra ilay mpangalatra rehefa notsoahin’ny tompon’ny fiara ny fitoriana, olona nianatra lalana ve izany sa olona te hiteniteny fotsiny, io olona niteny io no tsara fotorina mafy, ny fifanarahana dia tokony ho vita tany amin’ny biraon’ny mpanao famotorana fa tsy efa any amponja vao hoe hoe.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici