- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Visa » sy pasipaoro sandoka : Teratany vahiny sy tovolahy gasy iray voasambotry...

« Visa » sy pasipaoro sandoka : Teratany vahiny sy tovolahy gasy iray voasambotry ny pôlisy

Ny iray voasambotra teto an-toerana ihany ary ilay iray kosa tao an-drenivohitr’i Betsileo tao. Izy ireo dia samy milaza avokoa fa mahavita manome « visa Shengen » sy pasipaoro, ho an’ny olona te ho any ivelany. 

Raha ny vaovao azo dia niainga tamin’ny fisamborana vehivavy iray saika hiondrana any Frantsa tamin’ny alalan’ny taratasy visa sy pasipaoro sandoka ny fanadihadiana rehetra nataon’ny pôlisy. Ity vehivavy ity, izay tratra tesy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, nihazona ireo taratasy hosoka ireo ary nampidirina am-ponja teny Antanimora avy hatrany taorian’ny famotorana azy, ny tapatapaky ny volana may lasa teo. Nahafahan’ny fitsaràna ity vehivavy ity ary izy indray avy eo no niverina nametraka fitoriana teny amin’ny Sces, na ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana manokana. Nambaran’ny mpitory tamin’izany fa tovolahy iray no nisoloky azy, satria naka vola nitentina 30 tapitrisa ariary tany aminy, hanamboarana « visa Shengen » sy pasipaoro vaovao. Natao ny angom-baovao ary io voasambotra tany Fianarantsoa io ranamana.

Fa ankoatr’ity tovolahy ity dia lehilahy teratany vahiny iray ihany koa voasambotra, teto an-drenivohitra indray. Amin’ny alalan’ny ranty eny amin’ny tambazotra sosialy indray no hanjonoany ireo lasibatra amin’izany. Efa vola tafiakatra any amin’ny 80 tapitrisa ariary tany ho any no efa azony tamin’izany. Ny fitoriana napetrak’ireo lasibatra no nahafahana nisambotra azy teto, ary efa natolotra ny Fampanoavana ny alakamisy teo ingahy vazaha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici