Azo lazaina fa nandaitra ary tena nahitam-bokatra ny fanentanana nataon’ny zandary ao Ambohimanambola raha tarafina tamin’ity tranga iray niseho ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo ity. Tamin’io fotoana io tokony ho tamin’ny 1 ora maraina dia nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny tobin’ny zandary ao Ambohimanambola fa misy miantso vonjy sy mitsoka kiriorioka ao amin’ny tanàna iray ao amin”ny fokotany Ambohipeno, kaominina voalaza etsy ambony. Vao naheno izany ireo zandary mpanao fisafoana mitondra môtô eny amin’ny manodidina dia nirohitra namonjy ilay toerana voalaza ka 7 minitra taorian’izay dia nigadona teny ireo mpitandro ny filaminana izay nahita fa efa nitangorona marobe ireo fokonolona. Vetivety tokoa ireto farany dia vory nohon’ny fampiasana ny “technique d’alerte” Tafa na tanamaron’ny fandriampahalemana izay efa nampianarina izay azy ireo rahateo. Nanoloana izany dia tsy maintsy nirifatra nandrositra ireo jiolahy. Tsy nahomby noho izany ilay fanafihana saika hataon’ireto olon-dratsy ireto na dia tsy nisy voasambotra azy izy ireo. Efa nanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity moa ny mpitandro amin’izao fotoana izao.
T.M.