- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Miverina indray ny fitorahana fiara

Mahitsy : Miverina indray ny fitorahana fiara

Fiara efatra no voatoraky ny vato teo Ankadimainty, tsy mifanalavitra amin’i Mahitsy, eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Ny alin’ny alahady lasa teo no nitranga izany. Tsy fantatra hatreto ny tanjona na gafy na koa fikasàna hanafika. Ny zava-misy mantsy matetika amin’ny fanaon’ny jiolahy, raha vao mijanona ny fiara dia avy izy ireo manafika ary mandroba ny ao anatiny. Raha ny fanazavana tsotsotra avy amin’ny olona eo amin’ny manodidina dia matetika mitranga io toraka fiara io rehefa alahady ny andro. Amin’ny mantsy azo heverina fa betsaka ny olona izay mivezivezy amin’ny lalam-pirenena mba mivoaka kely ny renivohitra. Mety ho ny handroba an’ireny no tanjon’ireo jiolahy. Ny tranga toa izao dia manome taratra indray fa efa mitsapatsapa indray ireo olon-dratsy mpanakan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena. Mody mitoraka aloha izy ireo ary rehefa hitany fa tsy misy ny atahorana dia ho tonga amin’ny fanakanan-dàlana amin’izay. Efa matahotra sahady ireo fiara izay mpitatitra mpizaha tany manoloana ny zava-misy satria izao no mba tonga maro ny vahiny mitsidika eto amintsika. Raha misy iray fotsiny amin’ireny karazam-piara ireny no tratran’ny asan-jiolahy dia avy hatrany dia miparitaka eo amin’ny tambajotran’ny sehatry ny fizahantany maneran-tany izany ary hampihemotra ny vazaha. Dieny mbola tsy miverina tanteraka ny asaratsy eny amin’ny lalam-pirenena dia efa tokony hamafisina ny fisafoana sy ny fametrahana mpitandro ny filaminana eny amin’ny toerana ahiana ho faritra mena amin’ny asan-jiolahy. Tokony efa ho fantampantatra avokoa izany avy amin’ny tranga tany aloha tany. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici