- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBEPC : Mpivatotra « sujet » sandoka voasambotra

BEPC : Mpivatotra « sujet » sandoka voasambotra

Asa fisolokiana, fanaovana sy fampiasana hosoka ary fanakorotanana filaminam-bahoaka. Ireo ny vesatra ara-pitsarana hanenjehana ireo olona efatra nivarotra laza adina sandoka tamin’ny tambajotra sosialy sy tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sasany. “Noho ny angom-baovao sy fiaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo dia tra-tehaka ny andron’ny alatsinainy teo ny olona efatra izay milaza fa manana laza adina BEPC ka mivarotra izany eo anivon’ny tambajotran-tserasera sy amin’ireo ray aman-drenin’ny mpiadina”, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Notohizany fa : “mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ny roa amin’izy ireo ary olon-tsotra kosa ny roa ambiny (…) ireo farany no mitady an’ireo izay liana, ka tra-tehaky ny tale jeneralin’ny ministera sy ny Kapiteny lehiben’ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Ambohitratrimo ireo olon-dratsy rehefa nidinana ifotony teny Talatamaty”.  Raha araka ilay fampitam-baovao hatrany dia efa olona maro ny roboka ary vidiana 50.000 ariary ny laza adina iray. Nitarika fikorotanan-tsaina teo amin’ny mpiadina sy ny ray aman-drenin’izy ireo ny zava-nisy rehefa nanomboka niparitaka ny momba ity raharaha ity. Indrindra koa, mpampianatra no atidoha nikotrika. Ny azo antoka dia vao mainka ho mafy ny vesatra ho an’ireo mpanabe izay nampiasa hosoka ireo rehefa tonga eny amin’ny fitsaràna.  “Asa ratsy mahamenatra ary manimba ny hoavin’ny taranaka ny toy izao koa tsy maintsy mandray andraikitra haingana ny zandary sy ny ministera. Mila mitandrina ny rehetra, indrindra ny ray aman-dreny sao mbola misy alaim-panahy”,  raha araka any hafatry ny zandary. Hatramin’ny omaly no natao ny fanadihadiana savaranonando  ireo olona efatra izay hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Mandeha avokoa ankehitriny ny asa fisolokiana ary tonga hatrany amin’ny fivarotana laza adina sandoka. Mandalo facebook avokoa izany rehetra izany ary eo no mila malina ny tsirairay, izay manan-janaka hanala fanadinana. Efa naman’ny mangalatra koa mantsy izany hoe miankina amin’ny laza adina alohan’ny fotoana izany.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici