Nokarohina ary hita ihany ilay fiara tsy nanara-dalàna. Saretin’omby no nampiakariny teo ambony « porte-bagage ». Asa raha mba fantatr’ilay mpamily ny mety ho loza aterak’izany, na ho an’ny mpandeha, na ho an’ny mpampiasa làlana. Niparitaka teto amin’ny tambajotra ilay sary ary niainga teo ny fikarohana nataon’ny zandary. Fantatra ary taxi-brousse mampitohy an’i Faratsiho sy Analavory ilay izy. « Nanararaotra ny tsy fisian’ny zandary manao sakana izy ary nampiakariny teo Dango Faratsiho (RN 43 PK 60) ity sarety ity ka nampidinina teo akaikin’Ambohidanerana PK 40 » raha araka ny tatitry ny zandarin’ny Soavinandriana-Miarinarivo. Nihoatra ny 0,8 metatra ny haavon’ilay sarety ary tsy azo heverina ho entana intsony izany. Teo no endrik’ilay fandikan-dalàna, ankoatry ny loza mitatao ho an’ny hafa raha sendra misy fitanilàn’ny fiara. « Nampidirina am-balan-tsazy mandritry ny folo andro ny fiara nibaby sarety. Nosintomina kosa ny fahazoan-dàlana hamily an’ilay saofera ary atolotra ny komisiona miandraikitra izany izy mba handraisana fepetra » raha araka ny zandary hatrany. Be loatra ny mpamily manaotao foana eto amintsika
D.R