- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025

NY ANAY..

Ny anay ny fampihavanana tsy ampiandrasana ela

Tsy ilaina vantotr’omby sy hanimpitoloha

Ny anay na kibo noana mahavita mifamela

Tsy mila be entanina fa vokatry ny fo

 

Ny anay ny fampihavanana tsy ilay alaina sary

Tsy fifandraisan-tànana sy fihetsika namboarina

Ny anay tsy mila fomba sy anaovana kabary

Ny ampitso sy ny ela no hilaza sy hanamarina

 

Ny anay ny fampihavanana fiarahana manompo

Ny zokiny na zandriny manjary tafaray

Ny anay ny mpampihavana : Jesosy Kristy Tompo

Tsy azon’izay mbola tsy nateraka indray

 

Fa ny omby tsy mahavita mamafa lonilony

Tsy misy nofon-kena izay miantoka fiadanana

Tsy misy trafon-kena mahasolo ny ao ambony

Ilay hany mahakolo mampaharitra fihavanana.

 

Thierry RAONIZANANY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser