- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

Ambatolampy : Maty voatifitra ny tompon-trano

Folo lahy nanafika tamin’ny AKM sy basim-borona. Ny alin’ny zoma teo no nitrangan’izany ,tetsy Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Ambohipihaonana, tao amin’ny fokontany Manjarisoa. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany no tonga ireo jiolahy; izay nampiasa avy hatrany ny fitaovam-piadiany ka nitifitra ny tompon-trano. Maty tsy trà-drano io farany rehefa voatifitra tamin’ny kalachnikov. Vola mitentina 2,7 tapitrisa  Ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Nentin’ireo ihany koa ny firavaka volamena isan-karazany sy ny telefaonina finday  fito, raha araka ny nampitain’ny zandary. Tsy vitan’ny nisy namoy ny ainy ny tao an-trano, fa mbola naratra ihany koa ny roa hafa.

 

Itaosy : Nidirana an-keriny tao amin’ny farmasia

Ny marainan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny valo ora no nisy olona niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pivarotana fanafody iray tetsy Itaosy. Mbola tsy nisokatra ilay toerana tamin’io fotoana io ary ireo jiolahy no tonga voalohany tao. Voasokatr’ireo tamin’ny baramina ny varavarana ary nikasa ny hangalatra na haka olona izy ireo. Mailo anefa ilay tovovavy iray tao an-trano, ka nampandre faran’izay haingana ny mpitandro ny filaminana. Niara-tonga teny an-toerana ny pôlisy sy zandary izay samy misy eo Itaosy ,hany ka tsy nahatontosa na inona na inona ireo olon-dratsy. Na izany aza anefa dia tafaporitsaka ihany ireo. Fanafihana amin’ny valo ora maraina ! Tsy misy lerany intsony…

 

Ankadinondry Ambonara

Voakapa famaky ny dahalo

Hitan’ny tompon-trano ny fahatongavan’ireo dahalo nitam-basy, basim-borona enina. Nandrasany tsara tao ambadiky ny varavarana ary izay niditra dia nokapainy tamin’ny famaky. Nisy ny naratra mafy, saingy mbola nahavita nandroba ihany. Vola telo tapitrisa  ariary no lasa niaraka tamin’ny telefaonina finday sy entam-barotra maromaro. Mbola ny alin’ny zoma ihany koa no nitrangan’izany fanafihana izany. Nitady vola mafy angamba ny jiolahy ka tsy nahalala maty intsony, mba hankalazana ny fetin’ny maty…

 

Analavory-Fialofana : Nirefotra ny basy, lasa ny vola

In-droa nirefotra ny basy. Natahotra avy hatrany  zary nihorohoro ny iray tanàna vokatr’izany. Afaka nanao ny asany mora foana ireo efa-dahy nanafika. Toeram-pivarotana roa no nolalovan’izy ireo. Tao amin’ny voalohany dia lasa ny vola  1,3 tapitrisa ariary ary tao amin’ny faharoa kosa dia 43.000 ariary no lasan’izy ireo. Hitan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana ary nentin’izy ireo mba hanokafana fanadihadiana ny taim-bala roa. Raha tena halefa lavitra ny fanadihadiana dia ampy hahafantarana ny niavian’ny basy izany. Raha ny tokony ho izy mantsy dia efa samy manana ny laharany avokoa ireny bala ireny ary tokony ho voamarika. Saingy tsy mety tonga amin’izany mihitsy ny eto amintsika…

Nangonin’I D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser