Isan’ny tranga nampivarahontsana ny maro ny tranga niseho tao Andranomadio, izay nisian’ny mpivady may tao an-tranony ao amin’ny lot 110 carreau C parecelle 11/41. Mpiompy akoho fakana nofo no fiveloman’izy mivady raha ny fantatra. Raha ny tranga niseho dia tapaka ny jiro ny alin’ny sabotsy nifoha ny alahady 02 jolay, nefa mila ny herinaritry ny jirama ny akoho fakana nofo mba hahazoan’izy ireo hafanana. Nisy 600 ny akohon’izy mivady nandritra izay. Vokatr’io fahatapan-jiro io dia voatery nampiasa fatampera izy ireo. Novelomina ilay fatana hanomezana hafanana ireo akohony ary niverina natory izy mivady. Nivadika haintrano anefa izany, satria nidedaka tampoka tao ilay afo narehitra ka nahazo ny tafontrano sy ny fandriana fatorian’izy mivady. Teo vao taitra ka nikoropoka nitady varavarana nivoahana izy roa ireto. Efa tonga ihany koa ny fokonolona raha vao nahita ilay afo ka niezaka nanavotra azy mivady. May nandritra ny fanavotana azy izy mivady izay mbola tsy manan-janaka kosa. Nentina teny amin’ny hopitaly be izy mivady ka ilay rangahy no tena voa mafy fa fahamaizana dingana faha-03 no nahazo azy roa ireto. Nahazo ny fitsaboana avy hatrany izy ireo saingy noho hamafin’ny fahamaizana tamin’ily rangahy dia nodimandry ny talata 4 jolay teo tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro ny tenany. Raha ny fantatra kosa dia mbola velona aina hatrany ilay ramatoa ary mbola manaraka ny fitsaboana azy, ary nangatahan’ny fianakaviany fifanampiana tamin’ny fokonolona. Voakiana mafy tamin’izao tranga izao ny jirama amin’ny fahatapahan-jiro nitranga io. Ankoatra izay, ny alin’ny talata 4 jolay dia nitrangana halatra moto tao Anjoma manakaiky ny biraon’ny BNGRC, ka moto cignus no lasa tamin’izany araka ny vaovao voaray.
Malala Didier