Betsaka ireo olona no nahatsiaro ireo havany efa nindaosin’ny fahafatesana, ka nanatitra voninkazo teny amin’ireo fonenan’ny maty, ny faran’ny herinandro lasa teo. Akory anefa no hatairan’ny fianakaviana iray, teny amin’iny faritry Ambohimanambola iny, tamina tanàna antsoina hoe Behintsy, ny sabotsy lasa teo. Teo am-pamangiana ny fasana mantsy vao hita fa efa niala ny « gadenas » hidim-pasana. Nirohotra nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo ka akory ny hatairana fa vaky ity fasana ity. Nikorontana tanteraka ny rehetra tao am-pasana ary lamba sisa no tavela. Raha ny filazan’ny iray tamin’ireo fianakaviana , dia tsy nisy tao intsony ny taolam-balon’ireo razana rehetra maina tao am-pasana. Nataon’ireo olon-dratsy naka sisiny tery an-jorom-pasana kosa ireo razana mbola lena. Nidina avy hatrany nizaha ny zava-misy teny an-toerana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa avy nantsoina. Tamin’izany no nahalalana fa efa elaela ihany ny fasana no vaky ity fasana ity. Tsy nisy nahatsikaritra an’izany anefa raha tsy ny andro sabotsy, fahatsiarovana ireo olona nodimandry, lasa teo. Tato anatin’ny volana maromaro tokoa izay dia mirongatra izay tsy izy ity vaky fasana sy fangalarana taolam-paty ity. Tsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany fa hatrany amin’ny faritra. Mbola mampametram-panontaniana ireo mpanara-baovao hatrany, atao inona ireo taolam-paty nangalarina. Loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana no nahalalana fa misy orinasa goavana eto amintsika, manodina ireny taolam-paty ireny ho lasa diamondra. Ary ankevitry ny sahy mividy lafo angamba matoa efa sahy manimbazimba razana, izay hajain’ny Malagasy fatratra ny sasantsasany.
m.L