- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibe Ankadikely : Tra-tehaka i « Rasta », olon-dratsy raindahiny mampihorohoro

Ambohibe Ankadikely : Tra-tehaka i « Rasta », olon-dratsy raindahiny mampihorohoro

Tsy namelan’ireo zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely raha tsy voasambotra ary manefa ny saziny, ilay jiolahy raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe « Rasta », mpitarika jiolahy, mpanakan-dalana, mpangalatra môtô ary mpampihoroho olona teny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina iny.

Andro vitsy lasa izay no nisamborana azy, rehefa natao sarika am-pandriana tao amin’ny trano fialokalofany, tetsy Ambohibe Ilafy ny lehilahy. Efa ela tokoa mantsy no nikarohana azy raha ny fampitam-baovao azo ary efa maro ireo fandikan-dalàna nahavoatononona ny anarany. Rehefa nahazo angom-baovao mahakasika ny toerana nisy azy mantsy  ny zandary dia niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy. Tsy vitan’ny olon-dratsy fa mbola mpamatsy ody an’ireo olon-dratsy ranamana no sady « mpibizina » rongony. Tamin’ny fotoana nahatratrarana azy, araka ny vaovao azo, dia mbola nahitana zava-mahadomelina sy fitaovana fandraisana izany tao aminy. Manginy fotsiny ny karazam-panafody gasy maromaro sy karapanondro sy antontan-taratasina môtô sandoka.

Malaza ratsy tamin’ny fanakan-dalana eo amin’iny lalana eo anelanelan’Ambohimangakely sy Ankadikely iny i Rasta sy ny namany. Ankoatra izay, efa nangalatra môtô tao Antanambao ihany koa izy, saingy tamin’izany fotoana izay, hoy hatrany ny fampahalalana vaovao nataon’ny zandary, tsy sahy nitory ireo tompon’ny fitaovana very noho ny fandrahonana ho faty nataon-dranamana. Efa fantatra tsara mantsy fa izy no tompon’antoka tamin’io fotoana io. Marihina, hoy hatrany ny vaovao, fa tsy mponina eny akory ity tovolahy ity  fa eny Antohomadinika, saingy any amin’iny faritra iny no hanangonany ireo ekipany sy hanaovany ny asa ratsiny.

Efa natolotra ny Fampanoavana moa ingahirainy ary nadoboka am-ponja soa aman-tsara, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Mbola manohy ny fikarohana ireo izay mety ho namany kosa ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici