Omaly maraina no noraisim-potsiny tsy lavitry ny tranombarotra iray teny amin’iny faritra Ivato K1, ny tovolahy iray, izay fantatra fa nangalatra finday lafo vidin’ny mpanjifa tao amin’io toerana io. Hita tamin’ny alalan’ny « camera », teo amin’ilay fivarotana avokoa mantsy ny halatra nataon’izy sy ny namany.
Ny tapatapaky ny volana may lasa teo nitranga ity halatra finday ity. Iphone, izay mitombam-bidy an-tapitrisany maro tany ho any no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izay fotoana izay. Raha ny angom-baovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, tamin’io fotoana io, dia roalahy izy ireo nihaodihaody tsy lavitr’io tranombarotra iray tetsy Ivato io. Ankevitry ny efa notilian’izy ireo fatratra angamba ity lasibatra, izay nandeha fiara. Nony nijanona hiantsona, hividy zavatra tao amin’io toerana io ity farany dia nanatona moramora izy roalahy ireo, ary toa ireny olona mpiambina « parking » ireny. Nanampy tsara ilay vehivavy nivoaka avy tao anaty fiara. Kanefa, raha ny tena marina, araka ny hita teo amin’ilay « camera » dia ny iray tamin’izy ireo ihany no niezaka nanampy ilay madama fa ilay namany kosa teo amin’ny varavarana aorian’ny fiara. Rehefa tena nodinihana tsara ny zava-nisy dia hita fa somary tohanan’ity farany tamin’ny tanany ilay varavarana tsy hihidy tsara, raha teo am-panidinina izany tamin’ny alalan’ny « secret » ilay tompony. Vantany vao tafiditra ny tranombarotra araka izany izy io dia nosokafan-dry zalahy mora foana ilay fiara ary nalainy ilay finday. Hita soritra tsara tamin’ny alalan’io « camera » io avokoa ny fihetsik’izy ireo, ny tarehiny ary ny akanjo nanaovany tamin’izay.
Omaly dia niantso haingana ny mpitandro filaminana ny tompon’ny magazay fa tsikaritr’izy ireo, niverina sy nihaodihaody teo an-toerana indray ny iray tamin’ireo mpangalatra. Mbola ilay akanjo nanaovany tamin’izany fotoana ihany mantsy no nentin’ity tovolahy ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary ary nisambotra ity olon-dratsy ity sy nitondra azy natao famotorana. Niaiky ny heloka vitany ranamana, nandritry ny famotorana azy, ary nilaza fa efa namidin’izy ireo teny amin’iny faritra Analakely iny ilay finday. Notazomina avy hatrany ao any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana moa ingahy mpangalatra. Mbola mitohy kosa ny famotorana sy ny fanadihadiana ary ny fikarohana ilay namany, raha ny fantatra
m.L