Tany mirefy 46 a 18 ca, an’ny fikambanana « Khoja Shia Isnachery », misy titra sy taratasy ara-panjakana ara-dalàna, ao amin’ny fokontany Tanambao Morafeno Toliara, avaratry ny sekoly « Memorial school » no bodoina ampahan’olona milaza ho tompon’ny tany amin’izao, rehefa nangataka tamin’ny fikambanana hanorim-ponenana teo ny ray aman-dreniny. « Rehefa misy ny ilain’ny tompony ny tany dia miala ny mpangataka », hoy Atoa Sylvain Robert (Bera), olom-be an-tanàna mpitan-kazomanga to teny.
Tsy niraharaha ny fifanarahana nisy tany aloha ny taranaka sasany taty afara. « Ilain’ny fikambanana hanitarana an’ity sekoly ity io tany io », hoy Atoa Anil, filohan’ny « Khoja ». Raha ny fanazavany dia efa nisy ny marimaritra iraisana neken’ny rehetra, ka ny filohan’ny Fokontany no nisolo tena ireo esorina. Betsaka ny resy lahatra nanaiky niala, fa ampahan’olona vitsy no midrikina, na dia notambazana vola aza ny fialan’izy ireo.
Omaly dia nidina an-dalambe sady nilanja sora-baventy ireto farany, nanararaotra ny fahatongavan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny fananan-tany tany Toliara. Raha nanontanian’ny mpanao gazety Ingahy minisitra, dia nilaza fa « tsy misy mahazo tombony amin’ny korontana, ka aleo mifandamina, satria saro-pady ny fiaraha-monina ». Raha ny loharanom-baovao marim-pototra, io omaly io, dia misy andian’olona tia korontana tsy maty voalavo an-kibo manararaotra ny zava-misy, ka miketrika OPK (opération Karana), te hamerina ny 6 martsa, hono.
Manitrisa