- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-basy : Maro ny tranga fanafihana moto eto Toamasina…

Fanafihana mitam-basy : Maro ny tranga fanafihana moto eto Toamasina…

Isany fanamby napetraky ny lehiben’ny fampanoavana eto Toamasina ny fametrahana ny fahandriampahalemana mirindra sy maharitra, tsy azo ekena ny fanjakan-jiolahy hoy hatrany ny tenany. Raha tsiahivina anefa dia nisesisesy ny fanafihana moto teto Toamasina teto ato izay, ka isany nafana tamin’izany ny tao Valpinson sy Androranga araka ny fanavana azo. Vokatra izany sy ny baiko azo avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana dia nametraka tetikasa ny talen’ny filaminambahoaka atsinanana, ka nanatanteraka izany ny polisim-pirenena. Nody ventiny ny fandraisana an-tanana ny raharaha nataony FIP vokatry ny loharanom-baovao azon’izy ireo tamin’ny olona tsara-sitra-po. Ny alin’ny alatsinainy 10 jolay nifoha ny talata 11 jolay, nifanenjehan’ny FIP ireo jiolahy ka niezaka nandositra aza izy ireo dia tsy namelan’ny polisy raha tsy tratra izy ireo. Lavo noho izany ny jiolahy roa, nefa azo sambom-belona ny efatra ka vehivavy ny iray. Araka ny fanazavana dia I Kaizer ilay voatifitra dia vao nivoaka ny fonja tsy ela akory izay nefa efa manao asa ratsy sahady. Fantatra ihany koa araka ny fanampim-baovao fa mbola voafonja mamita sazy ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy ny iray tamin’ireo azo sambom-belona, I Randrianaina Fenontsoa Rodin izay 28 taona. Mbola misy valo volana ny saziny vao vita saingy manao ireny asa ivelan’ny fonja ireny ny tenany. Ny iray hafa antsoina hoe Ranary Eddy na I Brad izay azo sambom-belona dia vao nivoaka ny fonja ny volana jona teo araka ny vaovao azo. Ny angom-baovao no nahalalana fa anisan’ny nampitondra faisana ny vahoakan’I Toamasina mihintsy ireto ekipa nisy maty sy tratra ireto; ary fantatra araka ny fanazavana azo dia ny ekipan’I Mika sy kaizer no nanafika ny tranombarotra teo akaikin’ny réfrigépeche bazary kely ny zoma 07 jolay lasa teo. Nandritra ity “opération” nataon’ny FIP ity dia tafaverina tamin’ny tompony ny moto roa, ka isan’izany ny moto very teny Anjoma ny 04 jolay lasa teo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici