Ny fileovana Inanantonana distrika Betafo no nandray ny zaika be faha 7 iombonan’ny firaisan’ny fifohazana loterana na FIFIL sy ny fikambanan-dehilahy Loterana FDL Synodam-paritany Avaratr’i Mania. Hateloana no naharetan’ny zaika izay nanomboka ny datin’ny 11 jolay lasa teo. Teny Faneva nosafidiana tamin’ity andiany faha 34 ity ho an’ny FIFIL, ary andiany faha 41 ho an’ny FDL ny hoe « fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesoa tompo ».
Ny pastora Ratolojanahary Andriamanampisoa filohan’ny Synodam-paritany Avatr’i Mania no nanokatra ny fotoana tamin’ny fanompoham-pivavahana notronin’ireo pastora mpitondra fileovana ary fitandremana.
script async src= »https://pagead2.googlesyndication.com/pagead/js/adsbygoogle.js?client=ca-pub-1196350691967754″ crossorigin= »anonymous »>Marihina fa kaomininasaro-dalana no somary mihataka ny renivohitry ny distrika ny fileovana Inanantonana nampihatrano ity zaika be ity. Nanotronany fotoana ny governoran’ny faritraVakinankaratra Vy Vato Rakotoavao sy ny tale kabinetrany. Nanampy ity zaika be ity rahateo ny fiadidinany faritra tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-pitaovana sy fanampiana ara tsakafo.
Nisy ny fanokanana dia ko nanandritra ny fotoam-pivavahana, narahana ordinasiona pastoraly. Nosaloranany fanirahana andraikitra sy ny adidy maha pastora azy ireo kandida Pastora sy notendrena hiasa ao amin’ny fileovana samihafa eto anivon’ny SPAM. Ireodiakonaandianyfahasoavanakosa dia hiasaaoamin’nyfileovanaInanantonana.
script async src= »https://pagead2.googlesyndication.com/pagead/js/adsbygoogle.js?client=ca-pub-1196350691967754″ crossorigin= »anonymous »>Ny fileovana Ambano no voalaza fa handray ny mpizaika amin’ny taona ho avy.
Andry N.