- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVono olona tao Maintirano : Lehilahy anankiroa nosamborin’ny pôlisy

Vono olona tao Maintirano : Lehilahy anankiroa nosamborin’ny pôlisy

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ny tanana iray tao amin’ny fokontany Mangotroky, ao amin’ny kaominina sy distrikan’i Maintirano, ny 14 jolay lasa teo. Rehefa nanao ny famotorana sy ny fikarohana ireo izay nahavanon-doza ireo pôlisy tany an-toerana dia niafara tamin’ny fisamborana lehilahy miisa roa, izay fantatra fa iray fokontany amin’ilay lasibatra ihany. Ny talata lasa teo no voapaingotry ny polisy izy ireo, rehefa nametrahana paik’ady. Vao niseho mihitsy mantsy ity vono olona ity dia nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny pôlisy tany an-toerana. «Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mponina tao an-toerana ary fantatra fa olona iray fokontany tamin’ilay rangaha maty ihany no namono azy. Rehefa hita ny trano nisy ireo nahavanin-doza dia natao ny fisamborana ireo lehilahy anankiroa nanatanteraka izany ny 18 jolay tokony ho tamin’ny 2 ora antoandro », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany. Marihana fa hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny anton’ity famonoana feno habibiana nihatra tamin’ity raim-pianakaviana ity. « Eo am-panaovana ny fanadiadihana hamantarana izany ny pôlisy mialohan’ny hanolorana azy ireo eny amin’ny fitsarana » raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici