Teo Antanivao no nirehitra ny trano iray lehibe, misy rihana, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina raha araka ny fanazavan’ny manodidina. Tsy fantatra mazava ary mbola hohamarinin’ny mpanao fanadihadiana ny niantombohan’ny afo fa ny tsikaritra dia tena afo nijoalajoala ary sarotra fehezina no nitranga. Omaly dia fantatra fa nisy raim-pianakaviana iray izay namoy ny ainy tao anatin’ity trano may ity. Na izany aza dia nanaporofo ny fisiany ao an-tampon-tanànan’Antsirabe amin’izay ny mpamonjy voina ary minitra vitsy taorian’ny antso vonjy taitra dia tonga. Ny rihana ambony no tena kilàny afo tanteraka fa mba matin’ny rano ihany ny ambiny. Ankehitriny izany dia efa mba misy mpamonjy voina amin’izay ny renivohitr’i Vakinankaratra. Toe-javatra iray izay nampitaraina ny mponina nandritry ny fotoana ela ny tsy fisian’izany kanefa renivohim-paritra isan’ny be olona. Betsaka ny efa rava fananana noho ny firehetan’ny trano izay tsy nisy na inona na inona azo natao fa nojerem-potsiny. Ankehitriny dia isan’ny vaovao tsara ho an’ny maro ny fisian’ny mpamonjy voina mba manana fiara famonoana afo araka ny tokony hoizy. Ny kaominina mihitsy no manentana ny olona mba tsy hisalasala ny hiantso ny laharana maintso 118 raha vantany vao misy ny firehetana.
D.R