- Publicité SW45 -
mercredi, février 5, 2025
AccueilFaits-DiversOlan’ny orinasa “Etoile” sy delege sendikaly : Niakatra Fitsarana ambony ny zoma...

Olan’ny orinasa “Etoile” sy delege sendikaly : Niakatra Fitsarana ambony ny zoma teo ny raharaha

Ny zoma 21 jolay T023 teo  no notsaraina tetsy amin’ny tribonaly Anosy ilay raharaha nampifanolona ny orinasa afaka haba misehatra amin’ny famokarana akanjo antsoina hoe  “Etoile” etsy   sy ny delege sendikaly iray ao aminy. Raha tisahivina dia efa nandalo teo amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ity raharaha ity ka  nahavoasazy an’ity délége ity higadra herintaona sazy mihatra sy handoa onitra 400 000 ariary noho izy voampanga fa nanaparitaka ny raharaha anatin’ny orinasa tamin’ny tambajotran-tserasera.  Fihetsika nandratsy endrika ny orinasa niasany ka nanohintoina ny fifandraisan’ity farany amin’ireo mpiara-miasa aminy. Tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny Fitsarana anefa ny mpiaro ny voampanga ka izao nampiakatra Fitsarana ambony izao.

“Heures supplémentaires”

Raha zohina ny tantara dia  resaka “heures supplémentaires” no fototry ny olana. Nisy fitokonana tao amin’io orinasa io ny taona 2018, noho ny fitakiana nataon’ireo mpiasa ny hijerana ny fomba fikajiana ny « heures supplementaires » nampiharina tao. Rehefa nitranga moa izany dia nentina teo anivon’ny minisiteran’ny asa ny famahana ny olana. Niravona izany rehefa nisy ny naoty navoakan’ity minisitera ity ka namaritra ny fomba hikajiana izany “heures supplémentaires” izany ary neken’ny rehetra io. Ny volana jolay 2022 teo anefa rehefa voatendry ho delege sendikaly ity mpiasa, izay “machiniste” no andraikiny, dia namerina niresaka io olana izay efa voavaha io ka nanaparitaka izany teny amin’ny “Facebook”. Tsy nitsahatra teo izany fa nokianin’ity mpiasa ity ihany koa hatramin’ny sakafo omena ireo mpiasa ao amin’ny “cantine”. Rehefa nanontaniana ny antony nanaovany izany moa ny voampanga dia nilaza fa nataony izany amin’ny maha delege sendikaly azy ka ny tanjony dia hanokafana adihevitra momba izay heveriny fa olana ao amin’ny orinasany. Nanamafy teo anoloan’ny Fitsarana anefa ny mpisolovava ny orinasa fa tsy andraikitry ny delege sendikaly no nataon’ity mpiasa ity. Ity farany izay nanararaotra ny toerana misy azy ka mamoaka ho hitam-bahoaka ny raharahan’ny orinasa. Nanamafy moa ny mpisolovava ny mpitory fa tena nanimba ny lazan’ny “Etolie” ity raharaha ity noho izy voasoketa fa tsy manaja ny zon’ny mpiasa. Manoloana izany rehetra izany dia nangataka ny hitazonana ny  didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny mpisolovava ny orinasa. Amin’ny faha 24 aogositra 2023 no hamoaka ny didiny ny Fitsarana ambony.

T.M.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici