Vola 3.500.000 ar no nataon-dry zalahy ireto saran-dalana nihazo ny tany ankoatra. « Ny dahalo kosa rehefa tsy milavo lefona, tsy miova fo, dia lalana roa ihany no azony aleha: na fonja, na fahafatesana. Tsy avela hirenireny hanohy ny asany», hoy ny zandary. Ny andron’ny alatsinainy lasa teo, nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tao Soavinandriana tao. Vehivavy iray mpanangom-bokatra no lasibatra tamin’io fotoana io. Voambana basy ity farany ary voarahona ho faty raha tsy manome izay tadiavin’ireo olon-dratsy. Fantatr’izy ireo tsara mantsy fa nisy vola tany aminy ary tsy namelan-dry zalahy raha tsy azony. Vola mitentina telo tapitrisa mahery no lasa, ary rehefa azon’izy ireo dia nitsoaka toy tsy teo izy. Niantso vonjy tamin’ny fokonolona manodididna avy hatrany ity ramatoa ary rafitra nanampy azy ireto farany, nampian’ny zandary tany an-toerana. Tsy ela, hoy ny vaovao, dia voatemitra ireo olon-dratsy, saingy tsy nisafidy ny hilavo lefona izy ireo fa vao mainka nampiasa ny basy teny am-pelatanany. Voatery namaly tifitra sy niaro tena ihany koa araka izany ireo mpanejika azy ireo ka raikitra teo ny fifandonana. Saingy tsy naharitra moa izany rehefa voa ary lavo ireo roa lahy. Maty tsy tra-drano, trobaky ny balan’ny zandary. « Tavela teo ny basy hazo vita tanana fampiasany. Hita avokoa ireo vola voaroba ary naverina manontolo amin’ny tompony», hoy ny fanehoam-baovao navoakan’ny zandary hatrany. Marihina fa olon-dratsy avy any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny ireto lavo ireto taorian’ny fitsirihana.
m.L