- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : « Cash point Airtel » voatafika, Ar 16 tapitrisa lasan’ny...

Toliara : « Cash point Airtel » voatafika, Ar 16 tapitrisa lasan’ny jiolahy nitam-basy

Jiolahy telo mitam-basy nanafika ny « cash point Airtel » ao Toliara-centre, tsy lavitra ny kianja mitafo, nahaverezana vola 16 tapitrisa ariary, niampy finday avo lenta efatra. Ny harivan’ny 30 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, no  nisy voasambotry ny mpitandro filaminana, ka natolotra avy hatrany ny fitsarana. Fanomezam-baovao avy tamin’olona tsara sitra-po no nanamora ny fisamborana an’ireto jiolahy mitam-piadiana mpandroba ireto. Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana, dia niady tamin’olona tao Tsimenatse Toliara ny roa tamin’ireo jiolahy nandritra ny hain-trano nitranga ny alin’ny alakamisy 23 oktobra lasa teo. Fa ny iray koa dia ekipan’ny « bandes de 7 » ; izay ravan’ny polisy tsy ela ity fikambanan-jiolahy ity, ary efa any am-ponja amin’izao.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser