- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Miaramila nitondra moto nandona ankizy, saika raikitra ny sakoroka

Ambohibao : Miaramila nitondra moto nandona ankizy, saika raikitra ny sakoroka

Nisehoana lozam-pifamoivoizana, omaly tokony tany amin’ny 3 ora mahery kely, teny Ambohibao Antehiroka. Miaramila miasa eny Ivato no fantatra fa nandona ankizy saika hiampita arabe tamin’ny moto nentiny. Voalaza fa teo amin’ny toerana natokana handehanan’ny mpandeha an-tongotra no niseho ny loza. Vokany nianjera ary naratra kely io ankizy io. Ny tena nahagaga ny mponina teny an-toerana anefa, ilay nandona indray no nolazain’izy ireo fa be vava. Nanomboka nitangorona ny olona ary niakatra ny feo tamin’izany. Nandeha haingana ny raharaha. Nisy niantso ny mpitandro filaminana avy ao Ambohibao. Tsy ela dia tonga  izy ireo. Ny naha maika ireto farany dia ny nitondra an’ilay miaramila niala ny toerana. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa somary efa nisotrosotro izy tamin’io andro io. Izay nanontaniana mantsy dia niteny fa hoe nisy fofona alikaola ny anao lahy.

Fanamarihana avy amin’ny mponina no hilazana fa tato ho ato izao, tsy vitsy ireo mpitandro filaminana manao heloka etsy sy eroa. Tafiditra amin’izany ny fandrobana, ny famonoana olona. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2014, am-polony izy ireo no tratra ary efa nampidirina am-ponja. Heloka maro no niampangana azy ireo : fampanofana basy, fandraisana anjara mivantana amin’ny fandrobana, vono olona niniana natao, fametavetana vehivavy sy fangalana an-keriny. Any amin’ny faritra matetika no nandraisana vaovao milaza izany

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser