Ny talata sy alarobia teo dia tonga nitsidika tao an-drenivohitry ny faritra Analanjirofo ny ministry ny fitsaràna. Hetsika maro sosona no natao tao an-toerana ka anisan’izany ny fitsidihana ireo voafonja tao Fenoarivo Atsinanana, ary ny fanolorana maripamantarana ho an’ireo voafonja nanaraka fiofanana ho an’ny fiompiana sy ny fambolena. Izany moa natao dia mba hiheverana ny fonja ho toy ny toerana hanitsiana, ary ny tanjona dia mba ho olom-baovao izy ireo rehefa miverina eny amin’ny fiarahamonina. Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana maromaro samihafa ho an’ny fonja sy sakafo ho an’ireo voafonja. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mponina tao an-toerana, nampahafantrana ny pitsopitson’ireo lalàna tokony ho fantatry ny vahoaka. Tonga nanotrona ny minisitra moa ireo solontenam-panjakana aty an-toerana, nahitana ny governoran’ny faritra Analanjirofo, Dr Randriamanantena Marcellin, ny lehiben’ny fileovana ao an-toerana, ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.
Fa mahakasika izay resaka sosialin’ny mponina izay hatrany, notanterahana tao Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro fanaovana vaksiny faobe miaro amin’ny lefakozatra ho an’ny zaza latsaky ny 15 taona any amin’iny faritra Analanjirofo iny. Tonga nanokatra ny hetsika tamin’izany ny goverinoran’ny faritra, ny alatsinainy lasa teo. Tsy maintsy atao izay hahafongotra izany , hoy izy . Marihina fa nahatratra hatrany amin’ny 95 isan-jato ny taham-pahavitrihan’ny fahavitana vaksiny tamin’ny taona 2022 ary ny hihoatra izany no tanjona amin’ity.
m.L