Tsy misy tsy mahafantatra ireo telo lahy izay voasambotra ny olona eo amin’ny manodidina, indrindra fa ireo mpivarotra. « Irakiraka teto aminay ireny ary tena mifankahafantatra amin’ny mpivarotra rehetra eto amin’ny manodidina. Ny iray moa dia mpiambina tao amin’ny toerana izay izy ihany no atidoha nikotrika ny fanafihana azy » raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray eto an-toerana. Tsy miseho tandroka tokoa ny ratsy. Izy ireo mifandray sy miseho tsara fanahy amin’ny olona izany, hay efa mikedry izay fomba hanafihana an’ireo. Momba ilay mpamily fiarakaretsaka izay maty voatifitr’ireo andian-jiolahy ireo indray, fantatry ny maro izy amin’ny hatsoram-pony ary mpanatitra amin’ny sarany mora izay mba mpivarotra na olom-pantany eo amin’ny manodidina. Raha ny fihevitry ny olona dia fantatr’ireo mpanafika koa izy satria samy miasa eo an-tanàna ihany ary izay no mety ho anton’ny fitifirana mba ho hahafaty azy avy hatrany. Raha tsiahivina dia efa voasambotra ireo mpamono olona sady mpanafika. Tsy nisy nisaron-tava izy ireo nandritry ny fanafihana ary heverina fa nanampy betsaka tamin’ny fanadihadiana ny fisian’ny « camera de surveillance » an’ireo mpivarotra sasany teo an-toerana izy miampy ny fanampian’ny mpiray monina sy mpivarotra izay samy mahalala ny tarehin’ireo mpiambina sy irakiraka izay lasa jiolahy ireo.
D.R