- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversSanfily Toliara : Raikitra ny fifanenjehana, jiolahy roa matin’ny balan’ny pôlisy

Sanfily Toliara : Raikitra ny fifanenjehana, jiolahy roa matin’ny balan’ny pôlisy

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana teo, ny alahady hariva lasa teo. Vehivavy lehibe anankiray no lasibatry ny jiolahy nitondra sabatra, tao amin’ny fokontanin’i Sanfily, tao Toliara. Naratra vokatry ny asa ratsy nahazo azy ity ramatoa ity, saingy mbola nahavita niantso vonjy. Vantany vao nahazo fampandrenesena ny pôlisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana dia nandefa mpitandro filaminana teny an-toerana. Vetivety ihany dia tonga izy ireo ary mbola nifanojo tamin’ireo olon-dratsy, teo an-dalam-pitsoahana. Raikitra avy hatrany teo ny fifanenjehana. Ankoatra ny sabatra teny am-balahan’ireo olon-dratsy dia mbola nitondra basy poleta vita gasy izy ireo, ary tsy nisalasala nampiasa izany tamin’ireo mpanenjika azy. Nirefodrefotra ny basy. Noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana anefa dia lavon’ny bala ny roa tamin’ireo jiolahy nanafika ity ramatoabe ity. Tafaporitsaka kosa ilay iray nitondra ilay antsy lavalela. Mbola hita teny amin’ny vatana mangatsiakan’izy ireo ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Raha ny fantatra dia isan’ireo jiolahy rain-dahiny, tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana izy ireo. Mbola mitohy moa ny fikarohana azy ireo any an-toerana, izay sahanin’ny pôlisy hatrany. Ilay ramatoa voatafika kosa, efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana, taorian’ny ratra nahazo azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici