- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Mpanao fanafihana mitam-piadiana roa lahy voasambotry ny zandary

Ambohimangakely : Mpanao fanafihana mitam-piadiana roa lahy voasambotry ny zandary

Ireo voasambotra.

Tamin’ny alalan’ny hafatra miafina tao amin’ny kaonty Facebook-n’ny zandary avy ao Ambohimangakely no nahafahan’ireto mpitandro filaminana ireto, nanapaingotra ireto jiolahy raindahiny mpanao fanafihana ireto. Ny faran’ny volana jolay lasa teo ireto roa lahy ireto no voasambotry zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely sy ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny, teny amin’ny faritra Ambohimahitsy sy Manantenasoa, samy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Araka ny fanazavana azo dia anisan’ny ahiahiana fatratra ho isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana tokantrano iray tetsy Tsitiamainty, Tsarahasina Ambohimangakely ireto farany. Nanamafy izany rahateo ireto niharam-boina rehefa naseho taminy ny endrik’ireto tontakely ireto.

Raha somary hiverenena ny zava-nisy, ny alin’ny 19 hifoha 20 jolay lasa teo dia tokantrano iray teo amin’io toerana voalaza io no niharan’ny fanafihana mitam-piadiana. Jiolahy enin-dahy no niditra an-keriny tao amin’ilay trano, izay nitondra sabatra sy vato niaraka tamin’ny « barre à pince ». Marihina fa tsy nisy nisaron-tava izy ireo tamin’ny fotoana nanafihany. Tsy nisalasala ireto farany nampiasa ny fitaovam-piaidana teny am-pelatanany ary nandratra ireo tompon-trano. Vola manodidina ny telo hetsy ariary mahery teo no lasan’ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny finday miisa telo, radio iray ary jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro iray. Nanomboka tamin’io fotoana io dia nandray andraikitra tamin’ny fikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza ny zandary, ary izao nahitam-bokany izao. Omaly moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto, ka ny iray no nadoboka am-ponja, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray.

Porofo iray maneho ny fahatokisan’ny vahoaka ny zandary tokoa ao anatin’ny fiaraha-mientana ho amin’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tahaka izao ahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Marihina fa mbola  misy ireo naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao, izay heverina fa tsy ho ela dia tra-tehaka ihany koa. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici