- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJeneraly sandoka : Nadoboka eny Tsiafahy

Jeneraly sandoka : Nadoboka eny Tsiafahy

Vola an-tapitrisany maro no efa azony tamin’ireo lasibatra. Lehilahy iray mitonona ho manamboninahitra jeneraly no voasambotry ny zandary ny faramparan’ny volana lasa teo. Milaza ho mahafatafiditra tanora hanao zazavao ho amin’ny fanompoam-pirenena ingahirainy na ho an’ireo efa nahavita izany ka mbola te hirotsaka ho miaramila. 

Anisan’ny mahasarika olona maro tokoa ny te ho mpitandro filaminana sy mpiasam-panjakana, ary lasa tokotany filalaovan’ireo mpisoloky isan-karazany izany sehatra izany. Tsy vitsy ireo efa tratra kanefa mbola maro ihany koa no miroboka sy tafaroboka amin’ny hafetsen-dratsin’ireny olona ireny. Toy ny an’ity lehilahy iray ity, izay voasambotry ny zandary avy ao amin’ny « Direction de la police judiciaire », ny herinandro lasa iny. Efa amin’ny sehatra ambony tokoa, satria tsy vitan’ny misoloky ireo izay mety ho tafajoboka anaty haratony izy fa mbola miampy fisandohana andraikitra sy fandrahonana isan-karazany. Milaza azy ho manambonahitra jeneraly eo anivon’ny foloalindahy malagasy mantsy ingahirainy ary mahavita mampiditra tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny fitandroana filaminana.

Olona avy any amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny no nitondra fitairanana teny anivon’ny fitsarana fa niharan’izay fisolokiana izay. Ny fitsarana no naniraka ny zandary hanao ny famotorana sy hisambotra ity olon-dratsy ity, ny faha-28 jolay lasa teo. Taorian’ny paik’ady sy ny vela-pandrika isan-karazany dia voasambotra teto an-drenivohitra ihany « ingahy jeneraly » sandoka. Marihina fa efa vola tsy toko tsy forohana no efa azony tamin’izany olona izany. Ity farany mantsy, araka ny fitarainana nataony, dia te hampiditra ireo zandriny roa lahy hanao miaramila ka tafajoboka tamin’ity mpisoloky ity. Nasain’ity farany hiakatra eto an-drenivohitra ireto mpirahalahy ireto ary notereny sy norahonany ho faty mihitsy hiray lainga aminy, mba hangalana vola tamin’ilay voasoloky hatrany. Nambarany fa efa nahazo fiantsoana hiditra Acmil any Atsirabe ireto ary mbola nolazainy ihany koa fa efa manaraka fiofanana any an-toerana mihitsy aza, na tsy nisy akory aza izay zavatra izay. Ny an’ireo hafa indray, rehefa mitady ho tratra ny laingany dia ambarany fa efa voaroaka ilay olona nampidirina, satria tsy nanara-dalàna tao amin’ny sekoly. 

Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ity manamboninahitra sandoka ity ary nadoboka eny Tsiafahy avy hatrany, araka ny tati-baovao navoakan’ny zandary. Nanamafy moa ny teo anivon’ny zandary fa tsy hilefitra velively amin’ny karazana hosoka sy fanosoram-potaka ny foloalindahy tahaka izany. Antony nandraisan’izy ireo fepetra haingana vantany vao nahazo ny filazana hanokafana ny famotorana. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici