- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana : Tifi-basy nahafaty olona

Soanierana : Tifi-basy nahafaty olona

Vao maraina, omaly mbola mangiran-dratsy, dia efa nisy feom-basy nanakoako. Rehefa nijery ny olona teo amin’ny manodidina dia olona efa tsy nisy aina intsony noho ny tifitra nahazo azy no hita teo an-toerana. Matahotra hatrany ny olona satria tena maizina ny tanàna noho ny tsy fisian’ny andrin-jiro mirehitra eny amin’ny manodidina ny kartie antsoina hoe Paraky. Efa betsaka izay voaambana basy teo izay ary voaendaka na voatifitra. Nisy fotoana efa nidinan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana ary noraofina avokoa ireo mirenireny tsy misy atao mandany andro eny amin’ny toeram-pilokana isan-karazany. Nisy fiantraikany tsara tamin’ny fiaraha-monina izany raha ny fanazavan’ny olona iray mipetraka eny an-toerana. Ankehitriny dia na ny olona izay mandeha mitsena ireo mpiasa alina aza dia mbola voaendaka koa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici