
Tambanjotra kely amin’ny fivarotana zava-mahadomelina mihitsy ity vao ravan’ny polisy teny Ankorondrano ny sabotsy teo ity. Angom-baovao azo avy amin‘ny olona tsara sitra-po no nahafantaran‘izy ireo fa misy olona mivarotra zava-mahadomelina ao anaty toerana fisotroana (Bar) iray eny antoerana .Nijery sy nanara-maso ilay toerana voalaza moa ireo Polisy ka fantatra fa eny Andranomahery/Ankorondrano no nisy izany.Natao ny vela-pandrika ka olona telo no sarona teo ampamarotana rongony ny sabotsy 1é aogositra 2023 tokony ho témin’ny 8 ora sy sasany maraina teny amin’iny faritra iny. Rehefa nosavaina ny toerana nisy azy ireo dia nahitana rongony 482 fonosana sy taratasy maromaro izay fampiasa amin’ny fidoroana ireo rongony. Ireto farany moa no anisan‘ny mpamatsy iny faritra iny amin‘ny famarotana zava-mahadomelina toy itony. Noentina ao amin’ny kaomisaria foiben’Antananarivo ireto mpanao asa ratsy. Mpivady 38 sy 40 taona mpivarotra no sady tompon’ilay toerana, lehilahy iray hafa 27 taona kosa irakiraka rehefa mivarotra entana izay mipetraka eny Ankorondrano daholo. Mitohy ny fikarohana ataon’ny Polisy.
T.M