- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCSI Antananarivo : Nampihofana mpanao gazety teto Toamasina

CSI Antananarivo : Nampihofana mpanao gazety teto Toamasina

Nampihofana mpanao gazety teto Toamasina ny teo anivon’ny CSI na misahana ny fahitsiana sy ny mangarahara; izay natao tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Splendide” Ambalamanasy nandritra ny roa andro. Nandritra izany no nampahafantarina ireo mpanao gazety teto Toamasina ireo andry 12 mandrafitra, izay mitarika amin’ny fahitsiana sy ny mangarahara. Nambaran’ny talen’ny fangaraharana eo anivon’ny CSI, fa “tena ilaina ny fampihofanana ny mpanao gazety tahaka izao, satria ao anatin’ilay 12 mandrafitra ny CSI ny mpanao gazety mba entina hanatrarana ny tanjona tiana apetraka eto”. Fantatra nandritra ny fanofanana natao fa miandraikitra ny fampiroboroboana ny rafitra miantoka ny fahitsiana eto Madagasikara, mpanara-maso sy manao ny tomban’ezaka ny rafitra miady amin’ny kolikoly, mandrafitra sy mametraka ny politikam-pirenena momba ny fanjakana tsara tantana, mikajy ny fahaleovan-tenan’ny rafitra miady amin’ny kolikoly, manome torohevitra sy tolokevitra momba ny ady amin’ny kolikoly ho an’ireo andrim-panjakana sy ho an’ireo rafitra tsy miankina. Efa tamin’ny taona 2003 no natsangana ny filan-kevitra ambony ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahitsiana, ary mbola eo izy hatramin’izao miaraka amin’ireo mpikambana 07 mandrafitra ny CSI amin’izao raha niainga tamin’ny CSLCC izy tany am-boalohany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici