- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : 7 lahy nirongo basy nanafika, olona iray voatifitra

Ankazobe : 7 lahy nirongo basy nanafika, olona iray voatifitra

Fantatra fa  na somary tsy nandrenesana vaovao aza ny any amin’ny faritry Vonizongo dia manjaka hatrany ny tsy fandriampahalemana. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, jiolahy miisa fito nirongo basy no tonga nandroba tao amina tanana iray any Ankazobe. Avy hatrany dia nirefodrefotra ny basy. Raha nahare izany ny mponina dia samy tsy nisy nivoaka fa namitsaka tany an-tranony avokoa. Izany indrindra no notadiavin’ireo mpangalatra. Tsy nisalasala ry zalahy fa nalainy ny omby rehetra izay tiany. Rehefa azony izany dia lasa izy ireo niaraka tamin’ny rembiny. Nampilazana ny zandary ary raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Rehefa lasa lavidavitra dia nifanehitra ny andaniny roa, Tamin’izay fotoana izay no nahavoa ilay tovolahy 17 taona teo amin’ny kibony. Noho ny ratra nahazo azy tsy maintsy nalefa tsaboina  aty andrenivohitra izy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser