Nanomboka ny volana aogositra 2014 teo no nahitana ny tranga hafahafa eo amin’ny fahasalamana tao anatin’ny fokotany Sahavolo Andilamena. Nanomboka nisy ny maty ary mbola nisy ihany koa ny narary . Raha ny loharanom-baovao voaray dia efa voamarina fa pesta no mitranga ao Sahavolo, tanàna iray tokony ho 15 Km miala an’Andilamena ary efa tafakatra 7 izao no maty . Nivory maika ary araka izany ireo tompon’andraikitra mahefa ao Andilamena ary dia nidina ifotony nanao ny fanentanana rehetra amin’ny tokony hatao amin’ity trangan’aretina mahafaty ity. Matahotra sy mihorohoro ny mponina indrindra ny ao Andilamena amin’izao fotoana izao, ka manao antso amin’ny fanjakana ny tokony hiarovana haingana ny vahoaka amin’ity areti-mandoza ity. Ny mponina ao Sahavolo rahateo moa dia mivezivezy isan’andro ao Andilamena.
Janus R