Vaviantitra iray no torana sy naratra mafy nianjeran’ny vatana voamadilo maina tao Ankilifaly Toliara, omaly antoandro. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso ny voina, dia nisotro kafe teo am-pototry ny hazo izay toeram-pivarotana hani-masaka ity ramatoabe ity, ka nianjera tampoka avy any ambony ny tapaka vantan-kazo efa maina tsy nahazaka tena intsony. Trano roa ihany koa no rava sy potika vokatry ny fianjerana. Taorian’ny ny dona sy ratra mafy nahazo an’ity vaviantitra ity dia tsy maintsy nampidirina hopitaly. Raha tsiahivina dia hazo manan-tantara ao Toliara ity voamadilo (kily) midoroboka ao Ankilifaly Toliara ity. Tsy misy olona sahy mikapa azy, na dia efa misy maina atahorana hitera-doza aza, noho io zavamaniry io inoan’ny olona ho manan-jina.
Manitrisa