- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava : Mpisoloky saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Morondava : Mpisoloky saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Efa teny am-pelatanan’ireo fokonolona nahasambotra azy ity lehilahy 29 taona, izay voalaza fa mpisoloky rain-dahiny ity, no avotry ny pôlisy, tao an-tampon-tanànan’i Morondava tao, omaly antoandro. Raha tsy tonga haingana izahay, hoy ny fampitam-baovao avy teo anivon’ny pôlisim-pirenena, dia efa namoy ny ainy izany olona izany. Talohan’io fotoana io dia nifanenjehan’ny fokonolona ity farany, rehefa voalaza fa mpisoloky. Efa olona roa no voalaza fa niharan’izany asa ratsiny izany, ary niantso vonjy tamin’ireo mponina. Fantatra tamin’izany fa tsy vao ireo no olona lasibatra fa efa maro, antony nahatonga ny hatezeram-bahoaka, hisambotra sy ny hamono azy.

Vantany vao nahazo fampandrenesena moa ny pôlisy dia tonga haingana teny amin’ny fokontany Sanfily, toerana nitazoman’ireo fokonolona ity mpisoloky ity. « Nahitàna finday iray sy puce miisa sivy tany aminy, niaraka tamin’ny karapanondron’olon-kafa, ary boaty nisy vovon-javatra », hoy ny fanazavana azo hatrany. Noezahina nalamina moa ireo nahasambotra azy ary nentin’ny pôlisy nihazo ny biraon’ny kaomisaria avy hatrany ity farany ho amin’ny famotorana azy. « Mbola tonga teny amin’ny biraon’ny polisy ny olona roa voasalokin’ity olon-dratsy ity sy ny filohan’ny fokontany ao Sanfil nametraka fitoriana », raha ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici