Adin’ny mpivady niafara teny amin’ny polisy sy ny fitsarana ! Lehilahy teratany vahiny iray, 80 taona no voatery nosamborin’ny polisy omaly maraina tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny fokontany Depot 4e Analakininina tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao. Antony ! Nosimbain’ingahirainy avokoa ny entana tao an-trano ary tsy vitan’izay fa mbola niharan’ny herisetra avy aminy ihany koa ramatoa vadiny. Ity farany no niantso vonjy ka nahatonga ny polisy niditra avy hatrany. Amin’izao tokoa tsy misy an’izany tokantrano tsy ahaka izany intsony, sy ny hoe hihafio fa tokantrano io, na dia efa matim-bono sy daroka isan’andro aza. Tiana ny manamarika tsinona fa efa misy lalàna manan-kery eto amintsika miady amin’ny herisetra amin’ny endriny rehetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Ity lalàna ity dia ahafahan’ireo mpitandro filaminana manokatra fanadihadiana sy manenjika ara-keloka ny olona iray voarohirohy amin’izany. Fa tsy hoe tokantrano sy adin’ny mpivady io ka tsy misy afaka miditra. Raha ity tranga tao Toamasina ity dia ilay vehivavy no niantso vonjy nilaza fa vonoin’ny vadiny. Fotoana fohy taorian’io no tonga ny polisy, nahita ny fahasimban-javatra sy ny ratra teny amin-dramatoa ka nisambotra sy nitondra an-drangahy vadiny avy hatrany ho any amin’ny biraon’ny polisy, ho amin’ny famotorana azy. Efa eny am-pelatananay ny raharaha, hoy ny fampitam-baovao amin-ny polisy, ary miandry ny fanolorana azy eny am-pelatanan’ny Fitsarana aorian’izay.
m.L