
Ny toerana dia misy mpiambina na andro na alina. Akory anefa ny hahagana omaly fa nisy tsena vaky tao anatiny. Avy hatrany dia nantsoina ny mpitandro ny filaminana mba hijery ifotony ary nanokatra fanadihadiana taorian’izay. Mazava hoazy fa tsy maintsy hiainga amin’ny fihaonoana ny mpiambina aloha izany. Betsaka ihany izay vaky trano nefa toerana tsara ambina teto amintsika izay. Hatramin’ny biraom-panjakana misy vola sy volamena aza efa niharan’izany teto amintsika. Tamin’ity indray mitoraka tetsy Antanimena ity dia inoana fa mety hanampy ny teknojia amin’ny famantarana ireo olon-dratsy. Feno mpivarotra izany mantsy ao ary betsaka koa ny camera de surveillance ao an-tsena. Azo inoana fa misy mampiasa hiambenana ny tsenany izany. Mazava aloha fa tsy maintsy ny mpiambina foana no hiandronan’ny rihitra amin’ny tranga toa itony. Na izany aza mila mandeha any amin’ny mpiasa sasany ihany ny fanadihadiana satria tsy maintsy misy ny firaisana tsikombakomba matoa misy izany trano vaky nefa mihidy izany.
D.R