- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Basy kalachnikov iray sy basim-borona roa hita nafenina tao anaty...

Ambatondrazaka : Basy kalachnikov iray sy basim-borona roa hita nafenina tao anaty gony

Mampametra-pantaniana ny ahatongavan’ny basy mahery vaika eny am-pelatanan’ny dahalo.

Nandritra ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana. Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina tao anaty lavaka iray tao Tsipangalava, fokontany Miadapaonina, kaominina ambanivohitr’Ambandrika, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Mbola nahitana fitaovan-dakozia, toy ny sotro sy vilia ary ny vilany nofehezina anaty lamba, koa niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Voalazan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambatondrazaka fa basy fampiasan’ireo dahalo rehefa maka an-keriny sy manao fanafihana ireto. Marihina fa vao haingana no nisy fahatratrarana dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola.  Ao anatin’ny hetsika amin’ny ady amin’ny asan-dahalo sy fakana an-keriny izao vokatra azon’ny tobim-paritra Ambatondrazaka izao. Araka izany, mitohy ny fikarohana ireo jiolahy amin’izao fotoana izao. Ambatondrazaka sy ny manodidina izay anisan’ny famaharan’ireo dahalo amin’ny fakana an-keriny. Na efa maro aza ny tratra tamin’izany, mitohy hatrany izany asa ratsy izany. Vao tsy ela no nisehoan’ny fanafihana tany Toamasina Faharoa, ka nizoran’ireo olon-dratsy tany amnin’iny faritra mihazo an’Ambatondrazaka iny. Nisy mihitsy moa nilaza fa olona nanao fiteny avy any an-toerana ireo nanafika ary niandahy niambavy izany. Nisy ihany koa ny fakana an-keriny tamin’izany saingy efa navotsotr’ireo dahalo ireo olona nalaina. Ao anatin’ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana hatrany izao ka mba mihena aloha ny basy mahery vaika ampiasan’ny dahalo.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici