- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondromamy : Mpivaro-tena nahatratrarana vola sandoka

Ambondromamy : Mpivaro-tena nahatratrarana vola sandoka

Voatery  nosamborina ary nanokafana fanadihadiana ny tovovavy iray, karazan’irony mpampanofa vatana irony, noho ny fahatratrarana vola sandoka an-tapitrisany maro tao an-tranony, ny sabotsy lasa teo, tao Ambondromamy.

Tamin’io andro io tokoa mantsy dia nandeha nitaraina tany amin’ny pôlisy tao an-toerana ity vehivavy ity. Nilaza izy tamin’izay fotoana izay fa nisy nanome vola sandoka, roa alina ariary amina « paquet » maromaro. Rehefa natao ny famotorana azy dia nidina tany an-tranony ireo mpitandro filaminana ka hita tao tokoa izany vola sandoka izany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia mitentina any amin’ny 1,420,000 ariary vola tena izy tany ho any ireto vola sandoka hita tao aminy ireto. Araka ny tatitra azo hatrany dia tsy mbola fantatra mazava izay tena nahazoany an’ireto vola ireto. Noho izay antony izay no nahatonga ny pôlisy nitazona azy vonjimaika any amin’ny birao, hanokafana ny fanadihadiana mahakasika izay.

Mahagaga tokoa fa tato ho ato izay dia hita fa miparitaka any amin’ny faritra ny vola sandoka. Ankoatr’ity tany Ambondromamy, faritra Boeny ity mantsy dia mbola olona hafa voasambotra ihany koa tany amin’iny faritra Anosy iny, tao Tôlagnaro, ny andron’ny zoma teo indray. Ity farany dia voalaza fa sady mpampiasa no mpanamparitaka ary mety ho mpanamboatra izany vola sandoka izany ihany koa. Tao amin’ny tsenabe Amparihy, Tôlagnaro no nokasain-dranamana hampiasàna ilay vola tsy izy, kanjo mailo avy hatrany ilay tompon-tsena ka niantso pôlisy. Mbola nahatratrarana vola sandoka roa alina ariary miisa roa sy iray alina ariary miisa efatra moa tany aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Taratasy maromaro fanamboarana izany vola izany kosa no tra-tehaka tany an-tranony, raha ny vaovao azo hatrany. Efa notanana natao andrimaso sy nanokafana fanadihadiana ity lehilahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici