- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndrondrakely : Môtô noporetin’ny taxibe anankiroa

Androndrakely : Môtô noporetin’ny taxibe anankiroa

Nitrangan’ny lozam-pifamovoizana mahatsiravina tetsy Androndrakely, ny harivan’ny alahady lasa teo. Lehilahy 40 taona, mpitondra môtô, no maty tsy tra-drano rehefa noporetin’ny fiara taxibe anankiroa teo anelanelan’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy dia avy any Ankadimbahoaka ho any Androndrakely ilay môtô, handeha ho any Ankadimbahoaka kosa ireo fiara mpitatitra anankiroa. Nifandona tamin’ilay fiara voalohany ilay môtô ary avy eo mbola notrongisin’ilay fiara iray hafa avy ato aoriana. Mafy dia mafy ny fifandonana ary potika tanteraka ilay scooter « Kymco » nentin’ity lehilahy ity. Izy kosa voapotsitra tao. Nandriaka ny rà. Niezaka namonjy ihany moa ireo nanatri-maso ny zava-nisy saingy efa tsy tana intsony ny ain’ity mpitondra môtô ity. Araka ny fitantaran’ireo teny an-toerana dia toa hoe nihemotra ho azy, mety ho nilaozan’ny hisatra ilay fiara taxibe voalohany ka nifatratra teny amin’ilay môtô. Tsy tafajanona intsony kosa ilay fiara iray taorianany ka vao mainka nanery ity kodiaran-droa ity sy ny mpitondra azy tao anelanelany. Efa misokatra moa ny fanadihadina mahakasika ity loza nahafaty ity olona teny an-toerana. Ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana etsy Tsaralalàna no miandraikitra izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici