Nandritra ny iray volana teo izay no nanjakan’ny asan-jiolahy tao amin’ny distrikan’i Faratsiho. Sesilany ny fanafihana miharo fandrobana, eny fa hatramin’ny fonenan’ny ben’ny tanàna aza dia niharan’izany. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny kaominina Faravohitra, Alatsinainy Bevoaka ary ny kaominina Antsampanimahazo . Manoloana io tsy fandriam-pahalemana io, nilatsaka an-tsehatra ny OMC notarihan’ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra ka nisy ny fidinana ifotony nifampiresahana tamin’ny fokonolona. Taorian’izany, nandray an-tanana nitarika ny fanadihadiana ny polisy avy eto amin’ny komisaria Antsirabe, ary nanampy tosika ihany koa ny mpitandro filaminana avy ao Faratsiho. Vokany, olona 14 no voasambotra tao amin’ny distrikan’i Faratsiho, ka iray no tena niaiky ny heloka vitany. Fantatra kosa fa ny 11 no naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy. Ny alakmisy 6 novambra lasa teo moa no natolotra ny Fampanoavana ireio jiolahy.
Tsy nijanona hatreo ny fanadihadiana fa mbola mitohy hatrany, araka ny nambaran’ny kaomisera divisionera Talily Damy, fa mbola misy naman’ireo jiolahy karohina fatratra ankehitriny. Voalaza mantsy fa misy manana basy ireo jiolahy ka mbola mirenireny any io basy io hatramin’izao, ka angatahan’ny kaomisera fiaraha-miasa amin’ireo izay manana fanampim-baovaoa hilaza any amin’ny manam-pahefana haingana. Hotazomina ho tsiambaratelo izany.
Andry N.