- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara – Ady tany : « Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara...

Toliara – Ady tany : « Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara », hoy ny maitre Salim

« Tsy marina ny resaka inian’ny sasany aely fa misy miketrika OPK ao Toliara ary mahagaga ihany ny fivoizan’ny olona sasany izany, izay fihetsika mamoehatra efa lany andro manoloana ny ady tany ifandroritan’ny fikambanana « Khoja Shia Isnachery », tompon’ny tany manana titra sy taratasy ara-panjakana ara-dalàna, sy ireo olom-bitsy mibodo ny tany ao amin’ny fokontany Tanambao Morafeno, avaratry ny « Memorial school », sekoly reharehan’i Toliara ahitana mpianatra 1.300, namoaka olo-manga maro na eto an-toerana (minisitra sy depiote), na any ivelany (Banglor Inde, France université) », hoy Maitre Salim « chef congrégation adjoint » ny Khoja sady mpanabe sy mpitaiza tanora, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tany Toliara.

Tany hanitarana sekoly. Raha ny fanazavany dia ilain’ny fikambanana hanitarana ny sekoly ny taniny mirefy 46 a 18 ca taorian’ny fivoriamben’ny komity. Efa nisy ny fifampiraharahana natao tamin’ireo hoesorina. Betsaka ireo resy lahatra nangataka nipetraka teo nanaiky hiala, fa ireto olom-bitsy ireto kosa midrikina na dia notambazana vola aza ho tambin’ny fialany. Tsy nanaraka ny fifanarahana natao teo aloha ary nivadi-pitokisana ireto ampahan’olona ireto, hoy ity filohan’ny filakevi-pitantanan’ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Toliara ity.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser