- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Lehilahy maty voahitsaky ny fiara, nitsoaka ilay mpamily

Tsiafahy : Lehilahy maty voahitsaky ny fiara, nitsoaka ilay mpamily

Hatairana ny an’ireo nahita an’ity fatin-dehilahy iray, nitsirara teo am-povoan’arabe, nihosin-drà tanteraka, teny amin’ny tanàna antsoina hoe Mahabo, teny Tsiafahy, afakomaly, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany ho any. Nitangorona ny olona. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana ka tonga teny an-toerana. Fantatra tamin’izany fa efa tsy nisy aina intsony ity lehilahy ity. Potika tanteraka ny lohany ary nahitana diana kodiarana ny lamosiny. Ny fizahan’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana fa maty voahitsaky ny fiara ity tovolahy manodidina ny 30 taona eo ho eo ity. Tsy fantatra kosa anefa hatreto izay fiara nahavanon-doza nandona ity lehilahy ity. Io faty nihosin-drà io sisa ho hany hitan’ny olona teny an-toerana. Efa tsy fantatr’endrika intsony satria efa potika tanteraka ny tarehiny raha ny fanazavana azo hatrany. Nilaza ihany koa ireo manodidina fa tsy misy mahafantatra azy satria dia olona tsy mipetraka eny amin’ny manodidina ity lehilahy ity. Ny fizahana natao ihany koa no nahafantarana fa mbola hita teny aminy ny kara-panondrony sy ny karatra iray manondro ny toeram-piasany. Nentina avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly ny razana. Ny loharanom-baovao ihany no nahafatarana fa efa nilazana ny toeram-piasan’ity rangahy ity ary tonga teny an-toerana. Mbola tsy fantatra kosa hatreto izay misy ny havany, raha ny fanazavana hatrany, satria dia tsy araka ny toeram-ponenany voalaza tany amin’ity orinasa ity ny misy ireo vady aman-janany. Efa nandray andraikitra ihany koa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity. Tsiahivina mantsy fa melohin’ny lalàna ny mahafaty olona amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana. Mainka miampy izany raha toa ka nitsoaka ilay mpamily nahavanon-doza. Andrasana araka izany ny vokatry ny fahanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser