Manoloana ny trangana fangalaran-jaza miseho etsy sy eroa dia nandeha ny feo tamin’iny voalohandohan’ny herinandro teo iny fa nisy kamiô be iray feno ankizy nandalo teny amin’iny faritra Mahazo sy ny manodidina iny. Hala-jaza sa zavatra hafa, ary hatao inona sy ho entina aiza ? Fanontaniana mbola tsy nisy valiny hatreto. Tato ho ato tokoa izay dia nirongatra indray ity resaka hala-jaza ity, teto an-drenivohitra. Raha tsy hiresaka fotsiny ny trangana fangalana an-keriny ankizy iray tetsy Andranobevava, afak’omaly. Araka ny fantatra tamin’ity tranga ity dia ny alakamisy antoandro nirava avy nianatra ary handeha hamonjy ny fodiany teny Andraisoro izy no nisy nampiditra an-keriny tao anaty fiara kely iray. Fotoana elaela taty aoriana no nampandre ny ray aman-dreniny ireto mpangala-jaza ireto ary nitaky vola. Fantatra fa ny harivan’io ihany no navotr’ireo mpaka an-keriny ity ankizy nalainy ity, raha ny loharanom-baovao hatrany. Fa etsy andanin’izay ihany koa, manodidina ity trangana hala-jaza ity ihany, ny fahitana zaza teo amin’ny 3 taona teo, hita faty tanaty ala teny Ambanitsena, ny talata lasa teo. Raha ny voalazan’ny mpitrandro filaminana tamin’ity tranga ity dia efa tsy nisy tanana intsony izy zazakely ity io hita faty io. Voalazan’izy ireo hatrany fa ankevitry ny zaza avy nangalarina avy aty an-drenivohitra izy io. Mbola manohy ny fanadihadiana hatreto ny mpitandro filaminana. Teo ihany koa ilay tranga niseho tetsy Ampefiloha, nisiana zaza am-bolana nisy naka teny an-tanan’ny mpitaiza azy. Ary ilay fisehoan-javatra nampihoron-koditra tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy, nahitana ankizy vavy, hita faty voatapa-doha.
Ankoatra izay, dia tsy eto an-drenivohitra ihany no hisian’ity trangana fangalaran-jaza sy ny manodidina azy, izay efa tena mampihoron-koditra ny maro ity, fa na hatrany amin’ny faritany aza. Toy izay nitranga tany Betioky Atsimo. Zazavavy kely tokony ho eo amin’ny efa-taona teo no hita faty tao amin’ny toerana antsoina hoe Lazarivo. Nihoron-koditra avokoa izay nahita ity habibiana tsy roa aman-tany ity. Ny mpitandro filaminana tonga nizaha ny razana tany an-toerana no nahafantarana fa efa tsy hita intsony ny lelany, ny masony ary ny atidohany. Fantatra moa fa ankizy mipetraka tsy lavitry ny tanàna ihany ity ankizivavy hita faty ity. Ankevitry ny hala-jaza, miharo halatra taova tsotr’izao no nahazo ity zaza tsy manan-tsiny ity. Efa mandeha ny famotorana ny momba izao famonoana ankizy feno habibiana izao. Inoana ihany koa fa handray ny andraikitra tandrify azy ireo mpitandro filaminana manoloana izao hala-jaza, mampitebiteby ny olona maro izao, ary tsy hamela ireo mpanao ratsy ho afa-maina.
Nangonin’i m.L