Hatairana ny an’ireo olona manodidina ny orinasa mpivarotra fiarakodia iray ao Anjoma MPF, noho ny fikasana hanafika nataon’ny jiolahy mitam-basy tamin’ity mpanao “cash point” iray tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any. Vokany ! Jiolahy roa no maty voatifitry ny mpitandro filaminana nanara-dia azy ireo, izay voalazan’ireo nahita ny raharaha fa nitaingina moto scooter ka izay no nahatafatsoaka ny iray tamin’ireo jiolahy. Raha ny fanazavana azo dia efa narahin’ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ity andian-jiolahy ity. Vao tonga teo amin’ilay “cash point” hotafihina dia nasain’ireo mpitandro filaminana niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka teo no nahitana ny basy nifahana teny amin’ny iray tamin’ireo jiolahy. Voatery nitifitra avy hatrany ilay mpitandro filaminana. Izay no nahafaty ny iray tamin’ireo jiolahy. Nitangorona ny olona raha nahita sy nahare ny raharaha, satria raha ny fanazavan’ireo olona nahare ny raharaha dia in-03 nipoaka ny basy nandritra izany. Tonga naka ilay faty na jiolahy ny polisin’ny FIP, notarihin’ny komandany Rafaliaro Jules, ka nitondra izay teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be Analakininina. Marihina fa araka ny fampitam-baovao navoakan’ny pôlisy dia ny 28 aogositra teo ireto jiolahy ireto no nanafika « transitaire » iray tao Toamasina ary ny 13 aogositra lasa teo ihany koa dia mpamogady iray tao Mangarano no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny.
Malala Didier