- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Dahalo roa lavon’ny zandary

Antsirabe : Dahalo roa lavon’ny zandary

Nisehoan’ny fifampitifirana tany Antsirabe omaly tamin’ny 3 ora maraina, tamin’ny toerana antsoina hoe Jiro mena Antsirabe. Fantatra fa dahalo roa no indray maty tamin’izany. Ny zandary no voalaza fa nifandona tamin’ireo olon-dratsy ireo ary izao nahitam-bokany izao. Saika hanao fanafihana tamin’ity tanàna voalaza ity izy ireo, kanjo efa tonga ara-potoana ihany koa ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana tamin’izany. « Nirefodrefotra ny basy io maraina io. Raiki-tahotra izahay naheno izany », hoy ny fitantaran’ny mponina. Vita hatreo ny momba ireo dahalo ireo. Ao anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana hahafantarana azy ireto. Hita amin’ny trangan-javatra toy itony fa tena mirongatra ny asan-jiolahy amin’ny faritra maro eto amintsika. Na an-drenivohitra na ambanivohitra. Maro ireo olon-dratsy efa tratra, saingy mbola misy ihany ireo mipoitra avy any. Manao izay ho afany tanteraka, ary mametraka paik’ady maty paika ny mpitandro filaminana manoloana izany. Miantso ny fifanomezan-tanan’ny mponia ihany koa izy ireo amin’ny ady ataony amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici