Fito volana taty aorian’ny taratasy fampikarohana azy navoakan’ny Fitsaràna dia voasambotra tetsy Anjeva Gara ny lehilahy iray, voalaza ho nanolana vehivavy iray ny 21 desambra lasa teo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, vehivavy iray no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana fa niharan’ny herisetra ara-nofo, nataon’ny lehilahy iray tao Imaola, ao amin’io kaominina Anjeva Gara io ihany. Nanomboka teo ny fikarohana an’ity lehilahy ity, ary nisy mihitsy taorian’izay, ny 14 janoary teo, ny taratasy navoakan’ny Fitsaràna hikarohana sy hisamborana an’izany lehilahy tsy valahara izany. Tsy hita popoka mihitsy anefa ranamana nandritra izay fotoana izay. Ny andron’ny sabotsy lasa teo, nampandre ny teo anivon’ny zandary ilay vehivavy lasibatra fa tsikariny, teny amin’ny tanànan’Atsimombohitra, ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io, ilay lehilahy. Nandeha namonjy famadihana ingahirainy tamin’io fotoana io. Tsy nisalasala avy hatrany ireo zandary fa avy hatrany dia nidina teny amin’ilay toerana voalaza,ka indro tokoa fa mbola faly nitotorebika sy teo am-pibosehana vary be menaka ny anao lahy. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina natao famotorana. Notanana natao andrimaso eny anivon’ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Anjeva Gara moa ity lehilahy mpanolana ity, ho amin’ny famotorana azy sy miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L