# Ankorondrano. Lasan’ny mpanendaka ny paoketra. Omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora, nifanehitra tamin’ny mpanendaka teo am-pitana ny arabe ireto mpvady avy niasa. Avy hatrany dia nosintonin’ireo bandy kely roa ny paoketra teny amin’ilay rangahy, dia rifatra nandositra tany amin’ny lalan-kely tsy misy jiro izy ireo. Nikasa ny hanejika ilay lehilahy fa nihemotra indray avy eo. Karatra sy taratasy maromaro no tany anatin’ilay paoketra. Lasa feno mpanendaka iny lalana manomboka eny Antanimena mihazo an’Ankrondrano raha vao maizina ny andro.
# Amboanjombe. Naratran’ireo mpamaky trano ny mpiambina. Trano iray tetsy Amboanjombe Andoharanofotsy indray no saika vakin’ireo jiolahy efatra, ny sabotsy hifoha alahady teo. Tsy tao ny tompon-trano tamin’io fotoana io, fa ny mpiambina no niandry trano. Iray tamin’izy efa-dahy no niditra tao an-trano raha nitoraka biriky an’ity mpiambina ity kosa ny telo ambiny. Naratra vokatr’izay toraka biriky izay ity lehilahy mpiambina, saingy nanohitra ihany izy. Nitsoaka kosa ireo mpamaky trano, tsy nahatondra n’inona n’inona. Notsaboina teny amin’ny toeram-pitsaboana ity mpiambina ity
# Soavinandriana. Tanàna iray saika nisy namaky. Ny sabotsy alina lasa teo hatrany dia tanana iray etsy Soavinandriana, Ampasampito no saika nisy namaky. Efa teo am-panomanana ny hamaha hidin-trano ry zalahy no taitra sy niantso vonjy ny tompon-trano. Nanao tongotra an-katoka nitsoaka, nafenin’ny haizina sy erikerika ireo olon-dratsy, tsy nahavita ny asa ratsiny. Toerana somary miditra sy anaty lavaka ihany iny toerana iny, ka mampandry tsy lavo loha ireo mponina. Manainga ireo mpitrandro filaminana araka izany izy ireo mba hisafo matetika eny an-toerana.
Nangonin’i m.L/r.s.