- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFIFATA : Nandray ny fivoriam-be nasionaly ny faritra Vakinankaratra

FIFATA : Nandray ny fivoriam-be nasionaly ny faritra Vakinankaratra

Tontosa ny zoma 1 Septambra 2023 teto Antsirabe ny  fivoriam-be nasionaly fanaon’ny FIFATA. Fikambanana Fampandrosoana ny Tantsaha na FIFATA dia fikambanana najoro ho fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy hifampitsinjovan’ny samy tantsaha. Efa miparitaka manerana ny faritra ny FIFATA, fantatra fa faritra 11 eto amin’ny Nosy no efa misy azy ary fianakaviana manodidian ny 180 000 no mikambana ao aminy.

Famokarana tantanam-pianakaviana matianina sy mihangeza manaja ny tontolo iainana ny vina napetraky ny fikambanana.

Manana ny sata manokana mifehy azy ny FIFATA, isan’izany ny fanatanterahana ny fivoariam-be nasionaly ka teto Antsirabe no nanatontosana izany izay notarihan’ny filohany Rakotovao Rolland. Isan’ny lahadinika tamin’izany ny fanaovana tatitra ny asa vita sy ny tetibola ary drafitrasa amin’ny taona manaraka.

Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ireo mpiara miombon’antoka ny FIFATA.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici