- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Môtô nidona tamina fiara, niara-maty ireo mpifankatia

Fenoarivo : Môtô nidona tamina fiara, niara-maty ireo mpifankatia

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tetsy Fenoarivo ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva tany ho any. Mpifankatia handeha hody nitaingina môtô scooter no indray nindaosin’ny fahafatesana vokatr’io loza io. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso, dia ankevitry ny avy nampiaraka ireto mpifankatia ireo, ka maika hamonjy fodiana no izao niharan’ny lozam-pifamoivoizana izao. Somary nandeha mafy ihany izy ireo, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany. Raha iny tao anaty fiolahana iny anefa, no sendra nifanena tamina fiara tsy mataho-dalana iray nanitsy an’izy roa kely ireto. Tsy voahodina intsony ny familiana, ka dia nivantana teny amin’ity fiara ity ny môtô nitondra azy roa. Mafy tokoa ny fifandonana. Nipitika lavitra mihitsy ilay tovolahy nitondra ary niakarapoka tamin’ny tany avy eo. Torak’izany ihany koa ny nahazo ilay tovavavy taoriana. Potika tsy nisy noraisina ilay scooter. Nandriaka ny rà. Araka ny fanazavana azo hatrany dia voa teo amin’ny lohany ilay tovolahy, ka maty tsy tra-drano. Noho ny fahaverezan-drà be loatra kosa dia namoy ny ainy teny an-dàlana ilay tovovavy. Tsy nisy naninona kosa ny olona tao anatin’ilay fiara. Izay tonga soa ihany no arahabaina, hoy ny fitenenana izay. Tsy hoe maika akory dia ny aina; izay tsy ananam-piry no lalaovina. Angamba mety ho anatra sy ho fitandreman’ireo mpampiasa làlana izay lozam-pifamoivoizana efa namoizana ain’olona maro izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser